1. Forasmuch then as Christ hath suffered for us in the flesh, arm yourselves likewise with the same mind: for he that hath suffered in the flesh hath ceased from sin;
1. Ainsi donc, Christ ayant souffert dans la chair, vous aussi armez-vous de la même pensée. Car celui qui a souffert dans la chair en a fini avec le péché,
1. "Koa satria niaritra ho antsika tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa nitsahatra tamin’ny ota,"
2. That he no longer should live the rest of his time in the flesh to the lusts of men, but to the will of God.
2. afin de vivre, non plus selon les convoitises des hommes, mais selon la volonté de Dieu, pendant le temps qui lui reste à vivre dans la chair.
2. Mba tsy handaniany ny andro sisa iainany amin’ny nofo, araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
3. For the time past of our life may suffice us to have wrought the will of the Gentiles, when we walked in lasciviousness, lusts, excess of wine, revellings, banquetings, and abominable idolatries:
3. C`est assez, en effet, d`avoir dans le temps passé accompli la volonté des païens, en marchant dans la dissolution, les convoitises, l`ivrognerie, les excès du manger et du boire, et les idolâtries criminelles.
3. Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovantsika ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehanantsika tamin’ny fijejojejoana sy ny filàna sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fihinanam-be tafahoatra ary ny fanompoan-tsampy izay ratsy indrindra.
4. Wherein they think it strange that ye run not with them to the same excess of riot, speaking evil of you:
4. Aussi trouvent-ils étrange que vous ne vous précipitiez pas avec eux dans le même débordement de débauche, et ils vous calomnient.
4. "Ary amin’izany, dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;"
5. Who shall give account to him that is ready to judge the quick and the dead.
5. Ils rendront compte à celui qui est prêt à juger les vivants et les morts.
5. Nefa hampamoahan’Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy.
6. For for this cause was the gospel preached also to them that are dead, that they might be judged according to men in the flesh, but live according to God in the spirit.
6. Car l`Évangile a été aussi annoncé aux morts, afin que, après avoir été jugés comme les hommes quant à la chair, ils vivent selon Dieu quant à l`Esprit.
6. Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty aza: mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy, fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy.
7. But the end of all things is at hand: be ye therefore sober, and watch unto prayer.
7. La fin de toutes choses est proche. Soyez donc sages et sobres, pour vaquer à la prière.
7. "Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa mahonòna tena, ary miambena amin’ny vavaka."
8. And above all things have fervent charity among yourselves: for charity shall cover the multitude of sins.
8. Avant tout, ayez les uns pour les autres une ardente charité, car La charité couvre une multitude de péchés.
8. "Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa “ny fitiavana manarona fahotana maro”"
9. Use hospitality one to another without grudging.
9. Exercez l`hospitalité les uns envers les autres, sans murmures.
9. Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
10. As every man hath received the gift, even so minister the same one to another, as good stewards of the manifold grace of God.
10. Comme de bons dispensateurs des diverses grâces de Dieu, que chacun de vous mette au service des autres le don qu`il a reçu,
10. Samia mifanompo araka ny fanomezana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra.
11. If any man speak, let him speak as the oracles of God; if any man minister, let him do it as of the ability which God giveth: that God in all things may be glorified through Jesus Christ, to whom be praise and dominion for ever and ever. Amen.
11. "Si quelqu`un parle, que ce soit comme annonçant les oracles de Dieu; si quelqu`un remplit un ministère, qu`il le remplisse selon la force que Dieu communique, afin qu`en toutes choses Dieu soit glorifié par Jésus Christ, à qui appartiennent la gloire et la puissance, aux siècles des siècles. Amen!"
11. "Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza ny teny velona sy miasa an’Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena."
12. Beloved, think it not strange concerning the fiery trial which is to try you, as though some strange thing happened unto you:
12. Bien-aimés, ne soyez pas surpris, comme d`une chose étrange qui vous arrive, de la fournaise qui est au milieu de vous pour vous éprouver.
12. "Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga mahazo anareo izany;"
13. But rejoice, inasmuch as ye are partakers of Christ's sufferings; that, when his glory shall be revealed, ye may be glad also with exceeding joy.
13. Réjouissez-vous, au contraire, de la part que vous avez aux souffrances de Christ, afin que vous soyez aussi dans la joie et dans l`allégresse lorsque sa gloire apparaîtra.
13. Fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin' ny fifaliana koa raha mby amin’ny fisehoan’ny voninahiny.
14. If ye be reproached for the name of Christ, happy are ye; for the spirit of glory and of God resteth upon you: on their part he is evil spoken of, but on your part he is glorified.
14. Si vous êtes outragés pour le nom de Christ, vous êtes heureux, parce que l`Esprit de gloire, l`Esprit de Dieu, repose sur vous.
14. Sambatra ianareo, raha haratsiana noho ny anaran’i Kristy, satria ny Fanahin’ny voninahitra sy ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao aminareo, amin’ireo dia voateny ratsy Izy, fa aminareo dia omem-boninahitra Izy.
15. But let none of you suffer as a murderer, or as a thief, or as an evildoer, or as a busybody in other men's matters.
15. Que nul de vous, en effet, ne souffre comme meurtrier, ou voleur, ou malfaiteur, ou comme s`ingérant dans les affaires d`autrui.
15. Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olon-kafa.
16. Yet if any man suffer as a Christian, let him not be ashamed; but let him glorify God on this behalf.
16. Mais si quelqu`un souffre comme chrétien, qu`il n`en ait point honte, et que plutôt il glorifie Dieu à cause de ce nom.
16. "Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany izy;"
17. For the time is come that judgment must begin at the house of God: and if it first begin at us, what shall the end be of them that obey not the gospel of God?
17. Car c`est le moment où le jugement va commencer par la maison de Dieu. Or, si c`est par nous qu`il commence, quelle sera la fin de ceux qui n`obéissent pas à l`Évangile de Dieu?
17. "Fa tonga ny fotoana tsy maintsy hiantombohan’ny fitsarana ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ary raha miantomboka voalohany amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mankatò ny filazantsaran’Andriamanitra?"
18. And if the righteous scarcely be saved, where shall the ungodly and the sinner appear?
18. Et si le juste se sauve avec peine, que deviendront l`impie et le pécheur?
18. Ary “raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan’ny tsy araka an’Andriamanitra sy ny mpanota?”
19. Wherefore let them that suffer according to the will of God commit the keeping of their souls to him in well doing, as unto a faithful Creator.
19. Ainsi, que ceux qui souffrent selon la volonté de Dieu remettent leurs âmes au fidèle Créateur, en faisant ce qui est bien.
19. Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hitahirizany ny fanahiny ao amin’Ilay Mpamorona mahatoky.